Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-9

6 Ary izao no izy: izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.

7 Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin'alahelo na an-tery, fa ny manome an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra. 8 Hain'Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra hianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin'ny asa soa isan-karazany,

9 araka ny voasoratra hoe: Namafy tamin'ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany. 10 Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo; 11 dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an'Andriamanitra noho ny asany no ho vokatr'izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.086